
Mahatsiaro ny fomba fanorany ireo mpanaraka ny vaovaon’ny zavakanto. Mpanao gazety tao amin’ny Madagascar Tribune, avy eo tao amin’ny L’express de Madagascar mantsy i Andry Rabeherisoa. Araka ny vaovao voaray, nodimandry teo amin’ny faha 56, tany Evreux Normandie izy, ny alakamisy teo.
Tsy misy tsy nilaza ireo izay nahatsiaro fa anisan’ireo mpanao gazety nisongadina tamin’ny fanoratana, fikarohana ary famakafakana ny vaovaon’ny zavakanto i Andry Rabeherisoa. Tombony ho azy teo amin’izay asany izay ny maha mpanakanto azy. Eny, na toa saron-kenatra aza, nanan-talenta teo amin’ny fitendrena gitara sy fihirana izy.
Mpankafy ny blues i Andry Rabeherisoa, ary anisan’ny nanangana ny tarika Special Blues Bandy (SBB), izay niaka-tsehatra tamin’ny “Madajazzcar” ny taona 2003 izy. Niray tariak taminy ry Désiré Razafindrazaka, Eric Tagg ary Luis Ramaroson.
Nisafidy ny hanorim-ponenana tany ivelany i Andry Rabeherisoa ny taona 2006, ka niverina tamin’ny maha mpampianatra matematika azy. Teo foana anefa ny fitiavana ny asa fanaovan-gazety sy ny mozika, ka niasa tao amina gazety frantsay iray izy. Nanohy ny mozika, ary nanana tarika mpiara-milalao taminy ihany koa.