
Nirotsaka teo amin’ny sehatry ny mozika tany amin’ny taona 1990 i Tomi Dadarozy. Nivoy gadon-kira maro izy tamin’izany. Ankehitriny, misy ny vokatra vaovao hatolotra ny mpankafy tsy ho ela.
Eo am-piketrehana ny nahandro ! Ny zoma 28 aogositra izao ao amin’ny Alliance Française Antsirabe, no hamoahan’i Tomi Dadarozy ny rakikirany faharoa « Zaho’zany te… ». Hanatanteraka seho lehibe ao amin’io toerana io rahateo izy amin’io fotoana io. Ankoatra izay, amin’ity taona 2015 ity ihany, manam-pikasana handray anjara amin’ny hetsika « Orange Tour » i Toumi Dadarozy.
Raha tsiahivina, efa niangaly gadon-kira na karazan-kira toy ny fusion, rock, vakodrazana malagasy, sns, ity mpitendry gitara manana ny maha izy azy ity. Efa namoaka ny rakikirany « Voromanga » izy tamin’ny taona 2013. Mpanakanto maro ihany koa no niaraka naneho ny kanto taminy. Anisan’ireny Haja (Pazzapa III), tarika Gama ary ny fandraisany anjara tamin’ny « Festival Madajazzcar ».
Jeannot Ratsimbazafy