
Mandia ny faha-15 taona niorenana ny tarika Rheg. Maro ireo hetsika efa vita. Mbola misy koa ny hatolotra ny mpanjifa ny kanto. Iray amin’ireny ny « November Rock » andiany faha-4.
Nandritra ny tafa nifanaovana tamin’i Rheg no nilazany fa ao anatin’ny fahavononana tanteraka ny fikambanana Manome mpikarakara ny hetsika sy ny tarika Rheg amin’ny fanolorana sy fanatanterahana ny « November Rock » andiany faha-4. Hetsika ara-kolontsaina lehibe hanomezana lanja sy hasina ny mozika rock sy ny tontolony. Ny alahady 8 novambra izao ao amin’ny CC Esca Antanimena, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, hiaka-tsehatra eny an-toerana ny tarika Rheg ranoiray hitondra ireo sanganasa noketrehina tao anatin’ny 15 taona niorenana. Marihina fa anisan’ny mampiavaka ity tarika miangaly ny mozika mavesatra ity ny fahaiza-mifehy izany hifanaraka amin’ny maha Malagasy. Anisan’izany ny tononkira mampita hafatra. Mozika azo henoina tsara, sns.
Ankoatra ny fampisehoana eny an-tsehatra, hiranty sy ho azon’ny olon-drehetra jifaina mandritra ity « November Rock » andiany faha-4 ity koa ireo kojakoja isan-karazany, toy ny akanjo, sary, sns, maneho ny fisian’ny tarika sy ny fifamatorany amin’ny mozika rock.
Marihina fa fampisehoana maro no efa vitan’ny tarika Rheg tamin’ity taona 2015 ity ao anatin’izao fankalazany ny faha-15 taonany izao. Anisan’ireny ny tamin’ny 28 febroary (Le Pub), 26 avrily sy 7 jona (Dôme RTA), 21 jona (Fetin’ny mozika), 15 aogositra « Dago rock revival » (tao amin’ny Cemdlac Analakely).
HaRy Razafindrakoto