Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Takalo sy fifampizarana : nitondra ny anjarany ho an’ny tanora i Frank Raholison

$
0
0
Madajazzcar08okt15.jpg

Totoafo ny atrikasa fifampizarana anatin’ny Madajazzcar eo amin’ireo zoky sy vahiny amin’ireo zandry mpitendry eto an-toerana. Omaly, hafaliana ny nifanakalozana amin’ny fitendrena amponga maroanaka teo amin’i Frank Raholison sy ireo tanora mpiangaly ny jazz tao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), Antsahavola.

Mahalana ny ahitana ity mpitendry ity eto. Miasa matihanina amin’ny fitendrena zavamaneno rehetra, efa ho 20 taona any ivelany i Frank Raholison. « Tsy maintsy mahay ny rehetra ianao rehefa any », hoy izy. Ankoatra ny fitendrena, milalao sy mihira ny sokajina mozika rehetra ny tenany.

Efa hatramin’ny taona 1973 izy no nihodina tany ivelany niaraka tamin-dry Christian Vander mbamin-dry Sylvain Marc. Nisy fotoana nitendreny niaraka tamin-dry Njila koa. Hitondra seho ifarimbonana mpitendry amponga maroanaka ao Antsahamanitra izy ny asabotsy izao.

Tsy lavitra teo, nifampizara ny traikefany teo amin’ny tontolon’ny piano tao amin’ny CGM koa ilay mpitendry soisa, Chris Conz. Vao 16 taona dia efa nilona sy niaina ny fitendrena jazz tamin’ny piano ny tenany.

Ny tolakandro, nosantarina tamin’ny seho Madajazzcar teo Antaninarenina, toy ny mahazatra ny fankafizana, niarahana tamin-dry Faniry Quartet, Mbelo’s Group, Michel Rabedasy, ary Niaina Razafindraibe Quartet. Nitohy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny AFT izany ka nahaloaka alina tamin’ny toeran-kafa rehetra.

Zoelson Randrianindrina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503