Quantcast
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kolontsaina sy fizahantany : manodidina ny efatra hetsy ny nijery « Hiragasy Makotrokotroka »

Image may be NSFW.
Clik here to view.
HIRAGASY23OKT

Hifarana ny alahady izao ny hetsika « Hiragasy Makotrokotroka », ho an’ny amin’ity taona 2015 ity. Raha ny nambaran’ny mpikarakara, ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana), tsy latsa-danja ity andiany fahenina ity raha miohatra amin’ny teo aloha. Manodidina ny efatra hetsy ny olona nijery ny adin-kiragasy, izay notontosaina isaky ny alahady ary naharitra 13 herinandro. Tsiahivina fa nahatratra 20 ny tarika mpihiragasy nifaninana tamin’ity indray mitoraka ity.

Mikasika ny amin’ny alahady tolakandro izao, andro hanatontosana ny famaranana ny hetsika, hifampitana sy hiady ny amboara ny tropy Ratovoson, avy any Ampahimanga sy ry Ramaroson, avy any Soanierana. Hampiavaka ity dingan’ny famaranana ity amin’ny tamin’ny taon-dasa ny hanatontosana izany eny amin’ny Kianjan’Andohalo. Nosafidiana manokana ity toerana ity noho izy manan-tantara, nikabarian’ny Mpanjaka fahizay.

Nanomboka ny taona 2009 ny « Hiragasy Makotrokotroka », iarahan’ny Ortana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra manatontosa, mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Tanjona ny hamerenana indray ny hasin’ny hiragasy, vakoka mampiavaka ny aty afovoan-tany. Eo koa ny hisarihana mpizahatany tsy handalo fotsiny eto Analamanga.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503