Nanomboka, omaly, ary hifarana rahampitso ny hetsika ara-kolontsaina, fanatanjahantena, ary fizahantany « Vez’tival » andiany voalohany eto Toliara. Haseho mandritra izany amin’ireo mpizahatany ny harena misy ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nosokafana teo amin’ny « Jardin de la mer » tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity andiany voalohany ity. Tamban-teny « Vez’tival », avy amin’ny hoe « Festival Vezo », karakarain’ny Asirso, fikambanan’ny mpandraharaha rehetra, na vahiny na tompon-tany. Ireo no vy nahitana izao hetsika izao.
« Carnaval » nanerana ny tanàna no nanombohana izany, narahanin’ny hetsika ara-panantanjahantena maro, hampisongadiana sy hampiverina indray lazan’i Toliara Tsimiroro. Hatao isan-taona ny lanonana ary hanasana ireo Nosy manodidina antsika. « Festival » fahefatra teto Toliara ny « Vez’tival ». Efa nisy telo talohany dia ny « Festival Antsairy loharaike », isaky ny volana aogositra, ny « Festival Toliara Tsimiroro » ary « Festival Tsimiroro »
CMS