Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fiainana maha mpanakanto, mpanabe… : olona tsotra, tia asa, nankamamian’ny mpianatra Ramika

$
0
0
FIAINANA

Nodimandry teo amin’ny faha-44 taony Ratovoherinirina Michel na Ramika, iray amin’ireo andrarezin’ny tantara an-tsary malagasy. Olona niaina tao anatin’ny fahatsorana. Nankamamy ny fifandraisana tamin’ny mpiara-belona. Tsy nitandro hasasarana tamin’ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra niantsorohany. Be vazivazy kanefa matotra tanteraka amin’ny fanaovan-javatra ity filohan’ny fikambanana Tantsary ity.

Tsy nokoboniny samy irery ny talentany fa nozarainy ho an’ny mpiara-belona taminy. Anisan’ireny ny gazety Taratra, L’Observateur, La Gazette de la Grande Ile. Nampianatra tamina sekoly maro toa ny kolejy teknika Rainandriamampandry etsy Ankadifotsy, tao amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco Behoririka, Tahala Rarihasina Analakely, kolejy FJKM Rasalama Manjakaray, lycée privée IFR. Nampianatra teny amin’ny oniversiten’Antananarivo tao amin’ny departemantan’ny serasera izay nitondrany ny atrikasa momba ny sariitatra. Mpanabe anisan’ny ankamamian’ny mpianatra Ramika. « Ramose tsotra, sady tena mahay mampianatra », hoy izy ireo.

Tia mandray andraikitra Ramika

Noho ireo toetrany ireo, sehatra maro no nahitana azy. Nananan’ny mpiara-belona fitokisana Ramika. Mpikambana tao amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny Omda izy. Saika nahitana na nanana fiaraha-miasa taminy na nanaovany zavatra avokoa ireo trano kolotoraly misy eto an-dRenivohitra toy ny IFM Analakely, IKM Antsahavola, Trano kolotoraly malagasy, Tahala Rarihasina Analakely, fikambanana Ambatonamelankafatra, sns.

Niavaka tanteraka ny fandaharam-potoan’ny Gasy Bulles nokarakarain’ny Tantsary tarihin-dRamika tamin’ity taona ity. Nomen’ny ekipan-dRamika vahana ny ankizy sy ny tanora mahay sary. Nampahafantarin-dry zareo ny olon-drehetra ny fomba famokarana boky tantara an-tsary miainga any amin’ny fanomanana mandra-pahatonga ny boky ho eny am-pelatanan’ny mpamaky. Natao tantara an-tsary ny tononkiran’i Dama, sns.

Andraikitra goavana noraisin-dRamika ihany koa ny fanairana hatrany ny tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hamerenana ny hetsika « Hosotra » fanao teo amin’ny Esplanade Analakely.

Hoentina etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ny razana, anio amin’ny 9 ora maraina. Hihazo ny fiangonana Ekar Fo Masin’i Jesoa Tsaramasay avy eo. Tanterahina eny Ambohipanja kosa ny fandevenana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503