Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

70 taonan’i Lalao Rabeson : zakany an-kira ireo tanora, omaly

$
0
0
Lalao sy Maurena

Tanora 15 hatramin’ny 70 taona. Indray zakan’i Lalao Rabeson tamin’ny angolam-peony tao amin’ny CCEssca, Antanimena ireo, omaly. Niara-niredona taminy ireo hira rehetra ny mpijery. Mainka nanome lanja izany ny firedon’ireo zavamaneno « akostika » nandravaka izany. Niangalian’i Solofo Bota ny piano sy angorodao, gitara an’i Gérard ary contrebass an’i Zafera Roger. Notovonan’ireo tanora vao erotrerony tamin’ny mozika tsofina : toa an-dry Andry Mika (trompetra), Anjaniony (sax) ary Tsanta (trombone), niampy an’i Josea (amponga maroanaka).

Telo ny vahiny tsy nampoizina naroson’ny mi’Ritsoka production niaraka taminy. Toy ny nilalao teatra niaraka tamin’i Lalao i Salomon, niangaly ny « Tsy sahiko » sy ny « Veloma » mbamin’ny « Tiako ». Hafa koa ny « N’aiza misy ahy » niaraka tamin’i Sandrine Rajaofetra, ary indrindra, ny fampiaraham-peo tamin’i Maurena Pazzapa. Adiny telo tsy niato ny fihaonana. Taorian’ny fandidiana ny mofomamy an-tsehatra, niara-nanao ny « Matokia » taminy ny mpijery iray voafidy (Bodo). Ho an’izay tsy tonga, mbola hisy fihaonana eny amin’ny JR, Anosisoa Ambohimanarina ny zoma 30 oktobra izao, amin’ny alalan’ny alin-kira.

Zoelson Randrianindrina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503