
« Miandry ny Tompo, rahoviana ianao vao ho avy? » Notakarina tamin’ilay hira « Rahoviana« , izay vokatra faramparany amin’ireo navoakan’i Joseph d’Af io. Nosafidiny manokana, hanompanana ny fampisehoana izay hotontosainy ny alahady 15 novambra izao, etsy amin’ny kianjan’Antsahamanitra, ihany koa izany.
Hizara zava-baovao, anatin’ny fanajana ny maha fiderana an-kira azy, kanefa manome lanja ny maha matihanina ihany koa izy amin’io fotoana io. Izay indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny mi’Ritsoka Production, izay hiantsoroka ny lafiny teknika sy ny fikarakarana ankapobeny. Alahatr’i Joseph d’Af sy ny tariny amin’izany ireo hira nanamarika ny niandohany, miampy ireo vokatra vaovao.
Fotoana nandrasan’ireo mpankafy, tsy ny mpankafy ny hira fiderana ihany fa na ireo mpankafy ny mozika amin’ny ankapobeny fotsiny aza, izy io. Maro ireo resy lahatra amin’ny talentan’ity mpanaknto ity, na eo amin’ny tononkira na eo amin’ny mozika. Mpanakanto ao anatin’ny hatanorana tanteraka ary manantena ireo tanora toa azy hiara-hientana aminy i Joseph d’Af.
Cet article « Rahoviana ianao no avy? » : hizara zava-baovao i Joseph d’Af est apparu en premier sur NewsMada.