
Manohy ny asany indray ny talen’ny Omda, Ranjarivo Haja. Mihantona ny fampiharana ny hitsivolana nanala azy…
Nihemotra amin’ny fanapahankeviny ny governemanta. Mba hisian’ny fandaminana, tsy mihatra ny hitsivolana nanesorana ny talen’ny Omda, Ranjarivo Haja. Tapaka nandritra ny fivorian’ny Sendikàn’ny mpahaikanto, ny filankevi-pitantanana, ny talen’ny kabinetra sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny kolontsaina izany, ny alarobia 11 novambra lasa teo.
Niaraha-nanapaka koa, araka ny tatitra, ny fanajana ny rafitra sy ny satan’ny Omda, mba tsy hiverenan’ny olana intsony. Hoenjehina araka ny lalàna kosa ny talem-paritry ny Omda tany Toamasina noho ny fanodinkodinam-bola. Hanaovana fitsirihana (audit) koa ireo sampan’ny Omda manerana ny Nosy.
Ankilan’izay, hampahafantarina ireo mpikamban’ny Omda rehetra ny mampifamatotra ny Omda amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Asa tanana. Hojerena akaiky koa ny olana anatin’ny Omda.
Raha ny omaly, nifanesy nivahiny tamin’ireo onjampeo tsy miankina ireo mpanakanto mpihira naneho ny hatezerany sy ny alahelony. Nitohy ny fanerena ny fitondrana. Ny mpanakanto no niantoka ny fandefasana io tale io niofana manokana tany ivelany. Izy ireo koa anefa no nametraka ireo mpitondra nifandimby teto. Tsy avelan’izy ireo hatao toy izany ny sampandraharaha miaro ny zony.
Zo. Ra.
Cet article Nanao angaredona ny mpanakanto : manohy ny asany indray ny talen’ny Omda est apparu en premier sur NewsMada.