Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Dihy : manakaiky vahoaka ny « Habaka Ankisôma »

$
0
0
HABAKA1DES

« Ny seho an-tsehatra midina an-tsehatra ». Io no lohahevitry ny « Habaka Ankisôma » andiany faha-12, nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny 6 desambra izao, eto an-drenivohitra. Hetsika miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny izy ity.

Miezaka manakaiky hatrany ny sarambabem-bahoaka sy ny andavanandrony ny « Habaka Ankisôma ». Tsy mijanona amin’ireo foibe natao ho an’ny zavakanto efa mahazatra, fa hitety toerana maromaro. Teny amin’ny sekoly tsy miankina iray eny Talatamaty, ohatra, no nanombohana ny hetsika, omaly.

Hahazo tombony amin’ireo fampisehoana ny eny amin’ny Espace Maray eny Androndra, ny eny Mahazoarivo, Ambatonakanga ary ny eny Ampatsakana. Anaty sekoly avokoa no hanatanterahana fampisehoana amin’ireo toerana ireo, ankoatra ny eny Androndra.

Hitohy eny amin’ny Les Graines de Bitumes eny Andavamamba, CEG 67ha sy Ankadikely izany. Ho an’ny seho ankalamanjana, handray ny « Habaka Ankisôma » ny zaridainan’Antaninarenina ary ny tokotanibe eny Ambohimanga.

Karakarain’ny tarika Rary ity hetsika ity. Marobe ireo kaompania mandray anjara toy ny Jiny, Géraldine sy Tovo, Ry Mpikadrila, Olon’dihy, Mirza, Ts’Art Dih’Crew, Dihy Squad, Lovatiana, sns. Eo koa ny mpianatra mpandihy ao amin’ny Espace Tokotanibe Ambohimanga.

Landy R.

Cet article Dihy : manakaiky vahoaka ny « Habaka Ankisôma » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503