Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« R’Imbosa mizara » : vita ny « Tiona Bagasy », hirosoana ny fampianarana

$
0
0
TIONA

Hifarana tsy ho ela ny taona. Nanao ny tombana ezaka nandritra ny hetsika « R’Imbosa mizara » ny tarika R’Imbosa. Naneho ihany koa ny dingana arahiny ho fampivelarana ny bagasy.

Anisan’ireo vokatra nisongadina tao anatin’ny 15 taona niorenan’ny tarika R’Imbosa ny fivoahan’ilay boky « Tiona BaGasy ». « Fanamby napetraka io ka tsy maintsy tanterahina na sarotra aza ny lalana nahatongavana tamin’izany. Efa azo jifaina ny boky », hoy i Mbosa. Voarakitra ao anatin’ity boky ity ny tantaran’ny bagasy. Ny mampiavaka ny bagasy ary ny mahasarotra ny fanoratana ny bagasy. Ahitana hira 12 vita solfa sy sorapeo na naoty. Ny momba ireo mpamoron-kira 12. Voambolana malagasy sy ny dikany amin’ny teny frantsay. 80 pejy ny « Tiona BaGasy » I. Amin’ny fiteny malagasy fa efa eo am-pamadihana azy amin’ny fiteny frantsay sy anglisy izy ireo ankehitriny. Nifarimbona tamin’ny fanoratana Ramorasata Olivier (mpahay mozika sady mpandalina momba ny bagasy), Njatoarimanga Tojoniaina (mpahay mozika sady informatisianina) ary Rabenasolo Imboasalamaniaina (manana traikefa eo amin’ny hira bagasy). Anisan’ny hira ao anatin’ity boky ity ny « Haody Ry Analamangako », « Vorompotsy », « Ny vady », « Antananarivo », sns.

Hotohizina amin’ny fampianarana fitendrena bagasy io ezaka fampitiavana sy fampivelarana ny bagasy io, raha ny fanazavan’i Mbosa. Fiaraha-miasa eo amin’ny Cercle Germano-Malagasy sy R’Imbosa. « Any antenantenan’ny volana janoary no hanombohana ny fampianarana ka ireo efa mahay mitendry no homena fiofanana hanatevina ny efa hainy », hoy izy.

HaRy Razafindrakoto

 

Cet article « R’Imbosa mizara » : vita ny « Tiona Bagasy », hirosoana ny fampianarana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503