Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hira ara-pilazantsara : dimy taona ny Amboara Gospel

$
0
0
HIRA

Kaonseritra sy fampisehoana maro no natao… Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taon’ny tarika Amboara Gospel eto Antsirabe. Ilay hetsika notontosaina ny 27 desambra teo tao amin’ny Fokrifa Antsirabe ny ivon’ny fankalazana, raha ny nambaran’Andriamampianina Tina, filohan’ny tarika. Navoaka tamin’io fotoana io koa ilay rakikira « Amboara fitia » izay tsangambaton’ny fankalazana ny faha-5 taona. Hiompana amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana an-kira ny Vaovao Mahafaly ny 5 taona manaraka, raha ny fanazavan’ny mpitarika ny Amboara Gospel. Eo koa ny famoahana rakikira vaovao.

Manana sanganasa 40 eo ho eo ireto tanora 32 mianadahy ireto. 13 taona ny zandriny ary 18 taona kosa ny zokiny indrindra. Enina ny mpitendry zavamaneno. Mihira amin’ny fiteny malagasy sy frantsay ary anglisy ny tarika. Manana mpamoron-kira valo mianadahy rahateo ny tarika Amboara Gospel.

Jeannot Ratsimbazafy

Cet article Hira ara-pilazantsara : dimy taona ny Amboara Gospel est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503