Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Feno Tolotra R., Ragasy, Masoandro : hanolotra antsa « Fo vato »

$
0
0
ANTSA

Taorian’ny fandraisana anjara tamin’ny « Rombom-panahy » I, nanapa-kevitra i Feno Tolotra Ramihary sy Ragasy miampy an’i Masoandro fa hanolotra ny « Fo vato ». Antsa tononkalo tontosaina etsy amin’ny Cemdlac Analakely ny tolakandron’ny 2 marsa izao. Raha ny heviny mivantana, olona tsy manana fo antra, tsy manana fangorahana no antsoina amin’ny hoe, « fo vato ». « Tsy izay loatra anefa ny tianay hampitaina amin’ity antsa tononkalo ity fa hamaky ilay fo toy ny vato amin’ny alalan’ny antsa tononkalo izahay. Hanana ny akony any amin’izay maheno azy ireo tononkalo 30 mahery hantsainay ireo », hoy Feno Tolotra Ramihary. Hanana endrika hatsikana sy fambaboana fo rahateo ny tononkalo hantsaina amin’io fotoana io, raha ny fanazavan-dRagasy. Hisy ny tononkalo hanana endrika antsa ifamaliana ka ho toy ny tantara ny hahenoana azy.

Hatsikana ny hanelanelana ny antsa tononkalo. Vakodrazana miaraka amin’ny tarika « Avaradrano mikalo » kosa no hisarika ny olona mialoha ny hisokafan’ny antsa tononkalo. Nomarihin’izy mirahalahy ireto fa efa vita boky ny « Fo vato » ka ho hita eny an-toerana mandritra ity antsa tononkalo tsy misy vidim-pidirana ity.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503