Pablo Picasso, Léonard de Vinci, Van Gogh Vincent… Malaza eran’izao tontolo izao ireo mpanao hosodoko vahiny ireo. Tokony tsy ho ambakan’izany koa ny Malagasy. Ny olana, tsy ampy na tsy nisy mihitsy aza ny fampahafantarana azy ireo.
Araka ny fitantaran’i Hemerson Andrianetrazafy, mpanao hosodoko sy haikanto araka endrika amam-bika, misy tabilao manodidina ny 300 eo ho eo voatahiry eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra. Fantatra fa malagasy avokoa no nanao azy ireo.
Vitsy dia vitsy no mahalala ireo mpanao hosodoko ireo, izay azo lazaina ho manana ny maha izy azy matoa notsongain’ny mpitondra sy ny manampahefana tamin’izany fotoana izany. Ny mampalahelo ary iarahan’ny mpanakanto sy ny mpankafy ny kanto manaiky, niara-maty tamin’ilay mpanakanto ny tantarany sy ny aingam-panahiny teo amin’ny hosodoko. Mahatonga izany ny tsy fisian’ny hetsika samihafa fampahafantarana ny momba azy ireo.
Etsy ankilan’izay, nijanona ho vakoka, tsy fantatra na voakolokolo, araka ny fenitra tandrify izany, na tsia ilay tabilao. Raha toa mantsy ka nisy izany fikarakarana izany, tokony mba hisy ny fampahafantarana azy, ny hasarobidiny, sns. Ankoatra izany, haingon-trano fotsiny ny tabilao hosodoko, ho an’ny ankamaroan’ny « mpanjifa », araka ny nambaran’i Hemerson hatrany.
Ny tranga toy izao, izay heverina fa nampatory tsy fidiny ny ampahany tamin’ny lalana nizoran’ny hosodoko malagasy, no mahatonga ny foibe sy ny fikambanana samihafa mikarakara hetsika enti-manandratra ireo mpanakanto sy ny zava-bitany. Ho an’ny « Loka Joseph Ramanankamonjy », izay hatao ny 18 hatramin’ny 24 janoary izao, ohatra, antenain’ny mpikarakara ny hampalaza ity hetsika ity sy hahatonga azy ho toy ireny lanonana goavana momba ny hosodoko any amin’ny mozea any ivelany ireny. Tokana ny tanjona, hananan’ny hosodoko malagasy hoavy tsara kokoa.
Landy R.