Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fandaharam-potoana 2016 : manome lanja ny tetikasa ahitam-pamoronana ny IFM

$
0
0
IFM15JANV

Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy, omaly, ny fandaharam-potoan’ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto hotanterahin’ny Institut français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, mandritra ity telo volana voalohany ity. Tsapa ho mitondra zava-baovao sy miavaka hatrany ity foibe ity.

Efa tsara petrapetraka ny fandaharam-potoan’ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto hitranga etsy amin’ny IFM, mandritra ity telo volana voalohany amin’ny 2016 ity. Heverina fa maro, indrindra ny mpanakanto, no te hahalala ny fomba iaraha-miasa amin’ity foibe ity : fampirantiana, fampisehoana, sns.

Misokatra amin’ny lafin-javakanto sy karazan’olona rehetra ny IFM, izay sehatra ho an’ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa, araka ny nambaran’ny taleny, Denis Bisson. Na izany aza, « manome lanja ireo hevitra sy tetikasa misy famoronana sy zava-baovao ny foibe », hoy hatrany izy.

Ho an’ny amin’ity telo volana voalohany ity àry, azo singanina manokana ny fiarahan’ny tarika Raboussa sy i Volahasiniaina an-tsehatra, ny 22 janoary izao. Hiavaka ity fampisehoana ity, satria tsy mahazatra ny maheno rap lalaovina amin’ny valiha, amponga, gitara « acoustique » sy ny maro hafa.

Eo koa ny fampahafantarana ny Malagasy guitar masters, ny 12 febroary. Ireo sangany amin’ny gitara, i Teta, Joël Rabesolo ary Chrysanto Zama, no mandrafitra izany.

Janoary, febroary, marsa : telo volan’ny literatiora

Ankoatra ny fanomezan-danja ireo tetikasa ahitam-pamoronana sy zava-baovao, manome toerana bebe kokoa ny literatiora ny IFM mandritra ity telo volana ity. Hisantatra izany, ny asabotsy izao, ny fampahafantarana ny boky vaovao nosoratan’i Michèle Rakotoson, « Madame à la campagne ».

Fa singanina manokana, satria hametraka tantara eo amin’ny tontolon’ny literatiora malagasy, ny hisokafan’ny « site internet », ahitana ny asa soratra sy ny tahirin’i Jean-Joseph Rabearivelo. Hampahafantarana ny 30 janoary izao izany.

Zava-baovao entin’ny IFM kosa ny « Ciné midi », fotoana hialana sasatra sady hijerena « film », amin’ny mitataovovonana.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503