Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

“Tafaray samy tia” : hanamarika ny fetin’ny mpifankatia ny sehon’i Dadah sy Fafah

$
0
0
????????????????????????????????????

Hiram-pitiavana ve? Angamba anisan’ireo mpamorona manana maro sy kanto indrindra i Dadah. Maro tamin’ireny no nahafantarana ny tarika Mahaleo, ary misy koa niarahany tamina mpanakanto hafa, na tao amin’ny tarika Dadah R’Abel. Tonga indray ny fotoana hanasongadinana azy ireny, mandritra ny seho hiarahan’i Dadah sy  Fafah ny alahady 14 febroary izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
“Tafaray samy tia”, lohahevitra mahafaoka be, no nosafidina hasongadina mandritra izany. “Anisan’ny hiran’i Dadah manome lanja ny fitiavana io. Manamarika ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto sy ny mi’Ritsoka ihany koa, satria tafaray samy tia”, hoy ny nambaran-dRandriamampianina Hery, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny trano famokaraka mi’Ritsoka Production, izay hiantsoroka ny fanatontosana ny seho. Tsy vao voalohany akory ny fiaraha-miasa eo amin’i Dadah sy  Fafah ary ny mi’Ritsoka. Izay kosa vao hisy ny fampisehoana iarahana manatontosa.
Fanokafana ny taom-pampisehoana ity seho an-tsehatra ity, na ho an’ireo mpanakanto na ho an’ny mpikarakara. Io indray no ahitana an’i Dadah sy Fafah manaraka, taorian’ny fetin’ny faran’ny taona notontosain’ny tarika Mahaleo farany teo. Fantatra fa hanampy ireto mpanakanto andrarezina ireto eo amin’ny zavamaneno i Nary sy Mbola Talenta.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503