« Teny velona ny teny malagasy » ! « Toy ny mihira ianareo rehefa miresaka » ! « Na midadasika aza i Madagasikara, manana teny iraisana isika. Afaka mifankahalala tsara » ! Kisarintsarina fandokafana ny teny malagasy ireo, kanefa porofo mivantana ihany koa fa manan-karena ny teny malagasy. Tokony ho afa-mivelatra…
Mirehareha amin’ny fananana ny teny malagasy ny Malagasy. Tsy ny rehetra anefa fa ny ampahany ihany. Ny sasany aza, manasokajy ny teny malagasy ho sahaza ny sarambabem-bahoaka sy ny « bado ». Ireo ilay sokajin’olona menatra ny miteny ny teny malagasy satria « olona ambony sy manana ny maha izy azy », hono. Na mbola vitsy aza izy ireny, matanjaka eo anivon’ny fiarahamonina ny foto-kevitra aparitany. Ny Malagasy rahateo, mora tairina amin-javatra tahaka izany.
Tsy tongatonga ho azy ireo rehetra ireo fa vokatry ny mamparefo sy tsy fahampian’ny fiarovana ny teny malagasy. Nanara-davahana tamin’ireo rafitra sy fomba fiasa napetraky ny Frantsay ny mpitondra nifandimby teto. Na efa niverina tamintsika aza ny Fahaleovantena, mbola tamin’ny teny frantsay avokoa ny taratasy nifandefasana tany anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra. Tsy mba nanana ezaka hanova izany ireo manampahaizana malagasy.
Namparefo ny teny malagasy koa ilay namotehana ny zaza malagasy tamin’ny dikavilan’ny fanagasiana. Tsy ny votoatiny fampianarana no « nogasina » fa ny anarana na teny ombam-boambolana. Nanjary nipoitra tany an-tsekoly ny « goro fanahotoana », « varingarina », « raikipohy », « lanja isam-bentin-kadiry », sns. Nitondra inona tamin’ny fahaizan’ny mpianatra anefa ireny ? Tsy nahavaly ny filan’ny fiarahamonina malagasy akory ny fampianarana nomena ny zaza naroboka tao anaty « fanagasiana » !
Lasa alohan’ny teknika ny politika
Nohamaivanina ny fikarohana nataon’ireo manampahaizana malagasy. Nomen’ny fanjakana lamosina izy ireo hany ka very an-javony ny asa nisasaran’ny avara-pianarana. Lasa alohan’ny « teknika » ny « politika » ka zary kivy ny Malagasy mpikaroka. Voatery niantsampy sy niantoraka amin’ny vahiny izy ireny raha hamoaka boky. Vokatr’izay, ny mpikaroka teratany malagasy, ny zavatra karohina eto Madagasikara sy ho an’ny Malagasy kanefa ny voka-pikarohana amin’ny teny vahiny !
Na lasa alohan’ny teknika aza ny politika, tsy mba nanana politika mazava momba ny fampitiavana sy fampiainana ny teny malagasy ireo mpitondra fanjakana nifandimby. Ny nifanohitra tamin’izay aza no nitranga. Nomena vahana araka izay azo atao ny fampiroboroboana ny teny vahiny. Tao ny natao an-karihary fa nisy kosa ny an-kolaka, toy ny famotehana tsikelikely ireo kolontsaina na zavakanto hany mahatahiry ny teny malagasy madiorano, tahaka ny hiragasy, katro, fanorona, sns.
Na manana finiavana lehibe aza ny mpikaroka momba ny teny malagasy, toa sehatra tery sy tsy ahafahana mampivelatra ny voka-pikarohana ny oniversite sy ny Akademia malagasy. Firy amin’ireny voka-pikarohana ireny no miantefa mivantana amin’ny Malagasy mila izany ?
Mila fanarenana goavana ny tontolon’ny teny malagasy. Tsy efan’irery izany fa mitaky fifarimbonana eo amin’ny Malagasy tsirairay. Tsy iandrasana vahiny ihany koa satria sady tsy hain-dry zareo ny manao izany no tsy anjarany rahateo. Sa ve miandry fanampiana avy any ivelany ny fampitiavana ny teny malagasy any amin’ny Malagasy ? Isika rahateo, efa zatra mirehareha amin’ny fahazoana fanampiana !
HaRy Razafindrakoto