Entin’ny fikambanana iray manamafy fa mpikambana ao aminy ny fananana sy fitondrana salotra na lamba eo an-tsoroka. Hanehoana ny mampiavaka ilay fikambanana rahateo izy ireny. Iharan’ny soloky hafahafa anefa ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima) raha ny nambaran’ny filohany omaly : «… Misy mivarotra ny lamba Fimpima ». Raha ny fanazavana nomeny, rehefa dinihina sy tomorina akaiky, tsy mitovy amin’ny tena izy ireo lamba ireo fa hosoka. « … Sady tsy mety manoloana ny fikambanana io tranga io no tsy mety eo anatrehan’ny lalana Ahiana hisy hisalotra ireny lamba hosoka ireny ka hitonona ho Fimpima… Manahirana ny fiarovana ny maha fikambana an’ilay fikambanana ny tahaka izany », hoy hatrany Andriamboavonjy Hanitra.
Fantatra omaly koa fa hivoaka amin’ny voalohandohan’ny volana febroary izao ny « Zaha sera ». Boky lehibe milaza sy mampahafantatra ny mombamomba ny mpikabary (toerana misy ny fampianarana, fonenan’ny mpikabary….).
HaRy Razafindrakoto