Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny governemanta amerikanina ny fanampiana ireo firenena manana vakoka mila arovana. Anisan’izany i Madagasikara.
Nanomboka ny taona 2001, tetikasa 750 nahazo famatsiam-bola tamin’ny governemanta amerikanina, any amin’ny firenena mahatratra 120. Iray amin’ireny i Madagasikara. Natomboka omaly ny asa mifanaraka amin’ny fiarovana ny lapan’Andafiavaratra. Nambaran’i Robert Yamate, ambasadaoro amerikanina tamin’izany, fa hitondra fomba fijery mivelatra kokoa eo amin’ny tantara ny fahavitan’ity tetikasa ity. Hanampy bebe kokoa ny fampandrosoana ny fizahantany eto an-dRenivohitra izay iray amin’ireo andrin’ny toekarena eto Madagasikara. Hatsaraina amin’izao asa izao rahateo ny fiarovana ny lapa amin’ny afo.
Anisan’ny tanjona amin’ity fanamafisana ny fiarovana ny lapan’Andafiavaratra ity ny hananan’ny Malagasy hambo sy rehareha eo imason’izao tontolo izao fa manana ny maha izy azy izy.
Marihina fa anisan’ireo firenena tsy mbola miraika loatra amin’ny fikajiana ny vakoka sy ny kolontsaina ny Malagasy. Zava-dehibe anefa ny fananana azy ireny satria, « toy ny afo manafana sy manazava tsy tapaka ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny tsirairay », hoy ny mpandinika fiarahamonina sy mpahay tantara.
HaRy Razafindrakoto