Havatsa-Upem, fikambanana anisan’ny zokiny indrindra eo amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny asa soratra. Marobe ny hetsika efa natao tao anatin’izay taona marobe niorenany izay. Hotohizana sy hatevenina izy ireny raha ny fanazavan’ny filohany, Andrianasolo Hajaina Naomy. Ny 30 janoary izao, fampisalorana hasina (lamba) ho an’ny mpikambana herintaona. Fandraisana mpikambana vaovao. Fotoana ifampiarahabana nahatratra ny taona 2016 sady hanolorana solombodiakoho ho an’ny mpikambana zoky.
Hanamarika ny 21 febroary «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindrazana » ihany koa ny Havatsa-Upem. 21 marsa hanatanteraka ny « Tabataba tononkalo » eto an-dRenivohitra. Antsa tononkalo ankalamanjana.
Hanome fiofanana
Ao anatin’ny efa-bolana (volana marsa ka hatramin’ny volana jona), hanome fiofanana momba ny fanoratana sombin-tantara sy tantara foronina ny Havatsa-Upem. Ankoatra ny fanatevenana ny fahaizana ananan’ny mpanoratra, antony iray hanatanterahana azy ity ny fahatsapana fa manomboka mihavitsy ireo mirotsaka amin’ny fanoratana tantara foronina.
Hiara-kiasa amin’ny mpanao gazety koa ny Havatsa-Upem amin’ny fankalazana ny faha-150 taona nisian’ny gazety malagasy. « Nanana mpanao gazety sady mpanoratra isika tamin’izany », hoy ihany ny filohan’ny Havatsa. Anisan’ireny i Edouard Andrianjafitrimo sy Ny Avana Ramanantoanina sy ny hafa ihany koa. Hetsika hotanterahina amin’ny herinandro farany amin’ny volana oktobra. « Raha ny fanirianay, ao amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo no hanatanterahana izany satria tao no nanaterana ny taratasy rehetra nananganana ny Upem tany amin’ny taona 1952 », hoy Andrianasolo Hajaina.
HaRy Razafindrakoto