Iray amin’ireo tanora maro manan-talenta vao misandratra eo amin’ny sehatry ny kanto ao andrenivohitr’i Vakinankaratra i Beera Mahandry, fantatra amin’ny hoe Pit Léo, amin’ny maha mpanakanto azy. Mivoy ny gadona « reggea dance hall », ao anatin’irony sokajin-kira antsoin’ny tanora hoe “music urbaine”, irony izy, hatramin’ny taona 2012, fotoana nirotsahany eo amin’ny sehatry ny hira.
Izy ihany no mpamorona sy mpihira ireo sanganasany efa mihoatry ny 12 ankehitriny, izay efa vita rakikira sy rakitsary ny enina amin’ireo. Nambaran’i Pit Léo fa sady mihira irery izy no miaraka amin’i Sayd, hany namany ao Antananarivo, miara-manao fampisehoana aminy, toy izay niseho tao amin’ny Coliséum Antsonjombe, tamin’ny taon-dasa, ohatra. Tsy mba manana mpitendry zavamaneno miaraka aminy koa anefa i Pit Léo, fa Dj ny azy no mpitendriny.
DJ Bryan, izay vao nodimandry tsy ela akory izay, no mpiaraka aminy ao Vakinankaratra rehefa manao fampisehoana izy any an-toerana. Hiaka-tsehatra irery ao amin’ny Alliance française Antsirabe (Afa) i Pit Léo, ny asabotsy 30 janoary ho avy izao. Nambarany fa sanganasany maro no hasehony ao mandritra ny fampisehoana, izay haharitra adiny roa sy sasany eo ho eo.
Hanotrona azy amin’io koa ny tarika One Look sy TSK, samy avy ao Antsirabe. Nolazain’i Pit Léo fa fampisehona voalohany hataony amin’ity taona 2016 io, alohan’ireo seho hafa hokarakarainy amin’ny manaraka.
Jeannot Ratsimbazafy