Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Androany akia ! » : antsa tononkalo maneho fitiavana maro loko

$
0
0
ANTSA

Ankoatra ny tontolon’ny hira, hanamarika ny « Fetin’ny mpifankatia » ihany koa ny mpanoratra. « Androany akia ! », antsa tononkalo hotontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny kolejy Rasalama Andravoahangy ambony ny 13 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fiarahana mpanoratra enina mianadahy, Miah Joe, Nahary Penina, Hanitra Randria, Fotopisaina RAOLY, Elisah Mbolatiana, Oméga Ratojo, hanolotra tononkalom-pitiavana maro loko. Fitiavana vao mitsiry, miredareda, mitsilopilopy, fitiavana misisika, sns. Tononkalo mahatratra 40 eo ho eo, elanelanina hira, ravahina feon-kira lafika miaraka amin’i Tahina RaTà Tax ao anatin’ny ora vitsivitsy. Marihina fa mivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny boky « Androany akia ! ».

Anisan’ny tanjon’ireto fivondronana mpanoratra ireto ny fanandratana avo ny teny sy ny literatiora malagasy amin’ny alalan’ny tononkalo. Seho voalohany iraisan’izy ireo rahateo ny « Androany akia ! », antsa tononkalo tsy misy vidim-pidirana.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503