Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Voatendry ho senatera ny minisitra… : nivaly ny fangatahan’ny mpanakanto

$
0
0
????????????????????????????????????

Anisan’ireo voatendry ho loholon’i Madagasikara ny minisitry ny kolontsaina Rasamoelina Brigitte. Tsy nahay nanafina ny hafaliany ireo mpanakanto maromaro, indrindra ireo mpiserasera anatin’ny tambajotra “Facebook”. Tsy ny nanendrena azy ho senatera anefa akory no nahafaly, fa noho ny fangatahan’izy ireo izay nivaly ihany.
Ho an’ireo nahatsiaro, anisan’ny nanaovan’ireo mpanakanto antso avo tamin’ny mpitondra fanjakana ny hanalana ny minisitry ny Kolontsaina teo amin’ny toerany. Taorian’ny “Raharaha Omda”, izay nampifanolana ny minisitra sy ireo mpanakanto mpanao mozika mantsy no nahatonga ity fangatahana ny fialany ity. Raha tsiahivina, natsahatra tamin’ny asany ny talen’ny Omda ary nisy ny fanendrena tale vaovao. Tsy nankasitrahan’ireo mpanakanto, indrindra ireo mivondrona ao amin’ny sendikan’ny mpanao mozika izany, ka nihetsika izy ireo.
Mipetraka indray ny fanontaniana: olona toa ny ahoana no tokony hitantana ny minisiteran’ny kolontsaina? Manana ny heviny mikasika izany ireo mpanakanto mpanao mozika. Ny saika iraisan’ny rehetra hevitra aloha, tsy te hahita olona hapetraka noho ny seza tsy maintsy homena azy fotsiny intsony izy ireo.
Mandra-panendry izay ho minisitra vaovao, fantatra fa hifamotoana etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ireo mpanakanto, anio. Hanao fety, hifampiarahaba noho ny taona vaovao aloha no nampitain’i Rossy, sekretera jeneralin’ny sendika…

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503