Tsy mijanona eo amin’ny fampialana voly fotsiny fa miroso hatrany amin’ny fifampitaizana ny maha olona mihitsy. Anisan’ny tanjon’ny Bel Avenir amin’ny alalan’ny fanatanterahana hetsika maro izany.
Fanaon’ny fikambanana Bel Avenir, any Toliara any, ny manokana alahady iray, isam-bolana, ho an’ny kolontsaina, ny kanto an-dalambe ary ny fanatanjahantena. « Alahady sport et music Festival » no anaran’ity hetsika ity. Tsy entina hampialana voly fotsiny io alahady io fa hararaotina hatrany hanentanana ny mponina amina lohahevitra iray. Lohahevitra mifamatotra amin’ny zon’olombelona, indrindra ny zon’ny ankizy, sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ho an’ny amin’ity taona ity, hosantarina amin’ny 7 febroary izao ny « Alahady sport et music Festival ». Lohahevitry ny hetsika sy ny fanentanana rehetra, mandritra izany, ny hoe « Ny azon’ny ankizy hatao ho an’ny ray aman-dreny ». Marobe ny hevitra azo havoitra ao anatin’izany, toy ny hoe ny maha zava-dehibe ny fananan-taranaka, ny fetran’ny fanampiana azon’ny ankizy atao ao an-tokantrano ao, sns.
Manana sekoly momba ny fanatanjahantena ny fikambanana Bel Avenir ka natao ho azy ireo ny fanentanana sy ny fifaninanana ara-panatanjahantena, mandritra ny tapany maraina, amin’io alahady io. Hiainga eo anoloan’ny foiben’ny zavakanto sy ny mozika kosa ny diaben’ireo tarika mpanakanto eo ambany fiahian’ny fikambanana : Les Géants de Tuléar, ny Roda Malagasy, ny Bloco Malagasy, ny Malagasy Marching Band ary ireo mpanao « cirque ». Hamakivaky ny tanànan’i Toliara izany diabe izany ary hifarana eo anoloan’ny Cinéma Tropic. Tsara ny manamarika fa, afaka iray volana, handeha hitety ny kaotinanta aziatika ny Bloco Malagasy, ireo andriambavilanitra mpively amponga, hanentana amin-kira ny mikasika ny fizahantany tompon’andraikitra.
Landy R.