Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Eny amin’ny Batou Beach : fivoriambe voalohan’ny fikambanana Mafami

$
0
0
Mafami

Fivoriambe voalohany ho fifankahafantarana sy fifampiarahabana nahatratra ny taona ! Izay ny hataon’ny mpikambana ao amin’ny Mpianatra ambaratonga ambony faritany Antananarivo miray (Mafami), eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola rahampitso 13 febroary. Eo ambany fiahian’ny filoha nasionalin’ny fikambanana vaovao, Rasolomampionona Hasimpirenena, ny fotoana. Maro ireo olo-manan-kaja nasaina hanotrona ity fotoana lehibe ity miaraka amin’ireo mpikambana rehetra. Ankoatra ny tafatafa sy ny kabary hifandimbiasan’ireo lohandohan’ny mpisorona mantsy, hisy ny fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto fanta-daza nasaina hanafana izany lanonana izany. Anisan’ireo handray anjara, ohatra, i Samoëla, Zandry Gasy… Hanjakan’ny fety ombam-pirahalahiana, araka izany, ity lanonana ity.

Fikambanana mijoro ho mpampivondrona sy fampiraisana ireo firehana politika isan-karazany ny Mafami. Tsy mitondra loko politika fa miezaka manandratra ny firaisankinana. Teny filamatra rahateo ny hoe : « Mafami, mampihavana ». Ho porofon’izany, mpanao politika maro avy amin’ny antoko samihafa no nasaina. Marihina fa mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ireo zoky maintimolaly nandranto fianarana teny an-toerana ny mpikambana ao anatiny.

Andry F.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503