Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Manan-tsafidy ny mpankafy… : maro karazana ny hetsika hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia

$
0
0
DADAH

Safidy marolafy! Ny fitiavana no hitambarana, fa ny karazan-gadona sy mozika kosa, maroloko. Raha fanomezana tsara indrindra ny mozika, hahazo tombony ireo mpifankatia sady mpankafy amin’ity faran’ny herinandro ity.

Tafaray samy tia”, etsy amin’ny CCesca
Dadah sy Fafah. Fiarahan’ny feo sy ny gitara, fa indrindra ireo hiram-pitiavana milantolanto avy hatrany no mby ao an-tsaina. Milatsaka indrindra amin’ny andron’ny 14 febroary, izay voatondro ho fetin’ny mpifankatia maneran-tany ilay seho hotontosain’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo ireto. Maromaro ireo hira halahatra, raha ny heno nandritra ny famerenana farany, izay notontosain’i Dadah, Fafah, Mbola ary i Nary, omaly. Araka izany, mety ho lava kokoa noho ny seho mahazatra ao amin’ny CCesca Antanimena ity amin’ny alahady ity. Ny azo antoka aloha, ao avokoa ireo hira tena maro mpankafy…

Smooth Night Love”, eny amin’ny Akoor’Digue
Tanjona ho an’ny “Smooth Night Love” ny ho hetsika miavaka amin’ny maro. Miavaka amin’ny toerana, miavaka amin’ny seho ary  miavaka amin’ny mpanakanto handray anjara sy ny mozika halahatra. Miavaka amin’ny fotoana koa, satria hotontosaina ny alin’ny 13 febroary ny seho, mba hitsenan’ireo mpifankatia ny “Saint Valentin”. Handahatra ny sangansasan’ireo mpanakanto malaza amin’ny hiram-pitiavana, toa an-dry Mariah Carey, Whitney Houston, Georges Benson, Lionel Richie, Michael Jackson, sns, ireo mpanakanto notsongaina manokana. Hamelona izany ry Lizy Tantely, Patchrick, Zo Tantely, Gérard, Dasy, Hents, Anjaniony, Arison Vonjy ary DJ Nitt Royls. Tafiditra ihany koa anatin’ny fampahafantarana ny Akoor’Digue, izay misy ny toeram-pisakafoana Maz’too, hanatontosana ny seho ny “Smooth Night Love”.

Tovo J’Hay eny amin’ny Batou Beach
Hoporofoin’i Tovo J’hay eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola, anio alina, fa « mpihiran’ny fitiavana » tokoa izy. Ny lokon’ny fitiavana rehetra, hoentiny eny an-tsehatra avokoa. Fitiavana vao miandoha, fitiavana mivaivay, mitsilopilopy, sns. Hanakoako eny an-toerana ny « Tia tokoa », « Miandry anao », « Tsy misy toa anao », « Ilay rendez-vous »… Hisy koa ny « animation discothèque » miaraka amin’ny DJ Eddy. Nasaina manokana i Mélanie (Pazzapa). Hihira irery izy, kanefa hisy fotoana hampiara-peo amin’i Tovo J’hay ihany koa. Ireo rehetra ireo, ao anatin’ny fitiavana sy fifankatiavana avokoa !

Fandrama-Jao’s Pub
 Mpanakanto anisan’ny manana hiram-pitiavana maro i Fandrama. Ny taona 2015 namirapiratan’ny “Chérie Malala”. Hitobaka marobe ny hira tahaka ireny mandritra ity cabaret ity. Mandritra ity fotoana ity ihany koa no hamoahan’ny tarika voalohany ny sanganasany vaovao izay miaraka amin’ny karazan-dihy “Salegy awoooe”. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao koa ity cabaret ity. Tonon-taona izay hamoronany hira tsy tapaka. Ny amin’ity taona 2016 ity, nampitondrainy ny lohateny “Bonne année 2016” .

 

Mage 4 – “Fitia mandrakizay
Hiram-pitiavan’ny tarika Mage 4 ihany ny “Fitia mandrakizay”, nakana ny anaran’ny seho, izay hotontosain’izy ireo anio alina, etsy amin’ny Dôme Ankorondrano. Porofo izany fa raha hiram-pitiavana, manana maro koa ity gadona mpanao rock ity, toy ny “Raha tsy eo ianao”, “Tiako dia tiako”, sns. Seho fanombohana ny fankalazan’ny tarika ny faha-25 taona nijoroany izy ity, sady fihaonana voalohany amin’ity taona ity ihany koa. Ho vahinin’ny mage 4 mandritra ny seho ny tarika The Dizzy Brains, izay eo am-pametrahana ny anarany amin’izao fotoana izao.

Kaiamba-Amitié Fandian
Tany amin’ny taona 1980 no nalaza ny ankamaroan’ireo hira nosokajina tamin’ny hoe “kaiamba”. Malaza hatramin’izao anefa izy ireo, indrindra ireo hiram-pitiavana. Mbola eo rahateo ny ankamaroan’ny tompon’ny hira, ka miezaka mamerina izany isaky ny tafaraka ny tarika Kaiamba Tena Izy. Hiray sehatra anio alina, etsy amin’ny Amitié Fandian Ankadindramamy ry Jackie Edmée, Prosh’Ely, Zôzô Mananjary, Simon Randria, sns. Ho vahinin’izy ireo ny tarika Zanarotsy.

Zandry Gasy – Piment Café
Ho fanombohana ny seho amin’ity taona ity, manome fotoana ireo mpankafy ny hira gasigasy an-gitara ny tarika Zandry Gasy. Tsy mivaona amin’ny lohahevitra iraisana dia ny fitiavana izany, anio, manomboka amin’ny 9 ora alina ity alin-kira hotontosain-dry Mbola, Fitahiana, Onja, Litsa ary Hoby ity. Hamerina sy hamelona ireo hirana mpanakanto maro hafa ry Zandry Gasy mandritra izany, indrindra ireo manana hira kanto kanefa tsy faheno firy intsony.

Solo –Trass Tsiadana
Mpamorona, mpitendry ary mpihira i Solo Andrianasolo. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampifaliana ireo mpifankatia ihany koa izy anio alina, etsy amin’ny Trass Tsiadana. Ankoatra ireo hira efa fanaony, hamerina ny sanganasan’ireo vahiny ankafiziny ihany koa ity mpanakanto ity. Hanampy azy mandritra ny fiarahana i Mino. Ankoatra ny hira sy ny fitendrena gitara, haneho ny talentany amin’ny “saxophone” ihany koa i Solo.

Nangonin”i Zo ny Aina / Hary


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503