Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Sômaroho ! » Nosy Be : vahinin’i Wawa ry Toofan, avy any Togo

$
0
0
WAWA

Raikitra indray ny fetibe mandritra ny herinandro tsy an-kiato any Nosy Be. Ankoatra ireo mpanakanto malagasy, handrasana ihany koa ry Toofan.

Ho avy eto Madagasikara ny tompon’ny dihy « gweta » ! Fantatra mantsy fa vahiny manokan’i Wawa ny tarika Toofan, tarika iray avy any Togo, tarihin’i Master Just sy i Barabas. Handray anjara amin’ny « Festival Sômaroho ! » andiany faharoa, izay hotontosaina any Nosy Be, ny 24 hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao ity tarika manomboka misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity.
« Ao anatin’ny fifanakalozana amin’ny samy mpanakanto izany. Te hiseho aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ry Toofan, ary mikatsaka ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena kosa i Wawa. Tohin’ny nanafaranay an’i Serge Beynaud tamin’ny taon-dasa ihany izy ity », hoy ny nambaran’i Lemoine, mpikarakara ny tarika Wawa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
« Seho telo no handraisan’ny Toofan anjara amin’ny fandalovany eto. Ny voalohany any Nosy Be. Ny faharoa kosa mandritra ny fitondrana ny « Sômaroho ! » eto Antananarivo ny 13 septambra ao amin’ny Coliseum, ary ny fahatelo any Toamasina », hoy kosa ny nambaran’i Wawa.
Tsy ny tarika Toofan ihany anefa no vahinin’i Wawa, nasainy ho any Nosy Be hanafana ny « Sômaroho ! » andiany faharoa. Eo koa ireo mpanakanto malagasy namany, toa an-dry Dadi love, Barinjaka, Sisca, Gangstabab, Odyai, Nina’s, Théo Rakotovao, Big Mj, Basta lion, Willy, Faouzia, Stane, Jovial, Marina, sns.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503