

Feo avo, maranitra, mora, mafy… Namoahan’i Salomon ny kalon’ny fahiny, hiran’Imerina, hira tsy tontan’ny ela, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Kanto tokoa ny fampiaraham-peon’i Lizah Raseta sy Salomon.

Hetsika « Be mozik ! », nahatarafana hatrany ny fankafizan’ny olona an’i Samöela sy ny sanganasany. Notontosaina tetsy amin’ny kianja Esca Antanimena, omaly.

Tsy iadian-kevitra ! Voatazona hatrany ny maha hetsiky ny tanora ny « Smile Party ». Nafana ny andiany faha-11 tetsy amin’ny Le Pavé Club Antaninarenina.

Mbola voaporofo tetsy amin’ny Le Glacier Analakely ny zoma alina teo ny maha mpanakanto sangany an’i Stéphanie.
Nanatontosa : HaRy sy Mamiherison ary Njato Hervé.