Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Nini, Mahery, Poon : mitohy hatrany ny « Rock & Folk »

$
0
0
rock

Andiam-pampisehoana miavaka ny “Rock & Folk”. Ny antony, hitan’i Nini (Kiaka), Mahery (Johary) ary i Poun (Green) ny tena handrasan’ireo mpankafy, hany ka fahombiazana foana ny fiarahana. Fantatra fa mitohy hatrany, ary ho entina etsy amin’ny Amitié Fandian Ankadindramamy indray ny “Rock & Folk” ny alin”ny zoma 4 novambra izao, manomboka amin’ny 9 ora alina.
Araka ny anarany, mazava loatra fa hibahana ny vazo an-gitara. Eo amin’ny filalaovana azy kosa no hiavaka, satria hifangaro ao ny maivamaivana sy ny mavesatra kokoa. Hanao ny hiran’ny tarika misy azy avy ihany ry zalahy, saingy ny famerenana ireo hiran’olon-kafa ihany koa no tena mampisongadina ny fiarahana. Misy amin’ireny no hira nanamarika ny taona 80, izay mbola maro mpankafy amin’izao fotoana izao.
 

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503