Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Renala production : hisy ny « Tournée Melaky »

$
0
0
RENALA

Ankoatra ny rindrantsary, mamokatra hetsika kolontsaina ihany koa ny Renala production araka ny nambaran’i Benarivo Richard. Hanomboka ny 22 aogositra ho avy izao ny « Tournée Melaky » karakarain’ity trano mpamokatra ity. Iarahana amin’ireo mpanakanto zanak’iny faritra iny toa an’i Thybaut, Samonta izay samy miangaly ny kilalaky. Ny 4 ka hatramin’ny 6 septambra, any Morondava no hanatontosana ilay hetsika kolontsaina goavambe nampitondraina ny anarana « Festival Renala Kilalaky ». Tsy hira ihany fa saika hisongadina mandritra io fotoana io avokoa ny soatoavina sy kolontsaina mampiavaka an’i Menabe.

Fantatra fa mirotsaka amin’ny fanatanterahana horonantsary fanadihadiana sy sarimihetsika koa ny Renala production. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany, anisan’ny antom-pisian’ny trano mpamokatra ny hampahafantatra sy hanandratana ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fampisehoana hitety faritra, fanomezan-tanana ho an’ny mpanakanto.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503