Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fomba Tsimihety : hasongadina mandritra ny « Lampogno» ny « fangalam-baiavy »

$
0
0
LAMPOGNO

Firaisankina, fifanomezan-tanana amin’ny raharaha hatao. Maneho ny « Lampogno » izany. Tazana ao anatin’ny fomba « fangalam-baiavy tsimihety », izay hampahafantarina mandritra ny andiany faha-8 amin’ny « Festival Lampogno » izany.

Tsy fampisehoana fotsiny… Araka ny efa napetraka hatrany amin’ny andiany voalohany, sehatra hanasongadinana ny fomba nentim-paharazana tsimihety, mampiavaka ny faritra Sofia ny « Festival Lampogno ». Hotontosaina ny 27 hatramin’ny 30 aogositra izao izany, ao Antsohihy, renivohitry ny faritra.
« Fangalam-baiavy Tsimihety ». Io no lohahevitra hasongadina mandritra ity hetsika andiany faha-8 ity. « Fanandratana sy fampandrosoana ny lafiny ara-kolontsaina rehetra, indrindra ny nentim-paharazana izay antoky ny fampandrosoana maharitra ny hetsika. Nosafidinay manokana ity fomba tsimihety ity, hampitaina amin’ireo taranaka sy ireo tsy mahafantatra izany », hoy i Jean Rigo, izay filohan’ny fikambanana Lampogno, mpikarakara, nandritra ny fampahafantarana tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, omaly.
Sehatra hifanakalozana ara-javakanto ihany koa anefa ny « Lampogno », ka izay no antony nanasana ireo mpanakanto isan-tsokajiny, zanaky ny faritra sy ireo efa malaza manerana ny Nosy. Hanafana ny alim-pandihizana fanokafana, ohatra, i Zandry Ahmed sy ny Grand Maître Tianjama. Hanafana ny seho lehibe isaky ny alina kosa ry Stéphanie, Jazz MMC, Ida, Jangarata, Big MJ, Tsatsa, sns.
Hanampy ireo ny fifaninanana vakodrazana tsimihety, hahitana ny karazan-kira rehetra, fitafiana, taly, dihy ary zavamaneno. Hisy fanehoana horonantsary mitantara ny dihy bahoejy, sy ny fikajiana ny tontolo iainana koa mandritra izany.
« Efa vonona ny ao Antsohihy ary efa ela no nanomana ny hetsika. Miandry mpijery any amin’ny 35.000 any izahay mandritra ny hetsika iray manontolo », hoy hatrany ny fanazavan’i Jean Rigo. Fantatra fa mba hahafahany mandamina sy manara-maso tsara ny hetsika, tsy handray anjara amin’ny maha mpanakanto azy izy amin’ity, fa hijanona ho mpikarakara fotsiny.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503