Anisan’ny hetsika goavana fanao isan-taona ao amin’ny faritr’Analanjitofo ny « Festival Jerijery » tanterahina any Vavantenina. Hiditra amin’ny andiany faha-14 izany, manomboka ny 28 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra izao. Ankoatra ny fampiroboroboana ny toekarena hoentin’ity hetsika ity, anjara toerana goavana no tazoniny eo amin’ny lafiny fampivelarana ny zavakanto. Tarika sy mpanakanto maro no hifandimby hanafana ny lanonana mandritra ireo andro ireo. Anisan’izany i Willy, Khaleb, Lico, Les Robert (tarika manana ny maha izy azy avy any amin’iny faritra iny), Florida, sns. Ankoatra izay, hisy ny fifaninanana vakodrazana, dihy gwetta, miss, fanatanjahantena.
Tanterahina ny 29 oktobra kosa ny filaharambe na « carnaval » mamakivaky ny tanàna. Ny fotoam-pamaranana kosa, hizarana ny loka ho an’ireo izay mendrika izany tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy ho an’ireo nandray anjara.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto