Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Mpitantana tranomboky sy arsiva : 0,5% ihany no nahazo fiofanana

$
0
0
Exif_JPEG_420

Haverina amin’ny hasiny ny asa aman’andraikitry ny mpitantana tranomboky sy arsiva na tahirin-kevitra eto Madagasikara. Anisan’ny fanamby hiatrehana ny Seminera iraisam-pirenena momba ny tranomboky sy ny tahirin-kevitra eny Ankatso, anio sy rahampitso, izany. Nambaran’ny lehiben’ny CIDST, Razafimbelo Lily, tao amin’ny Ivon-gazety (CPM), Antsakaviro, omaly, fa 0,5%-n’ireo mpitantana tranomboky sy arsiva ihany no niofana momba izany eto Madagasikara. Vokany, tsy misy matihanina ireo miantsoroka izany ankehitriny.

« Ny fanamby mikasika ny torohay fahalalana voarakitra an-tsoratra eto Madagasikara, ny fampahafantarana sy ny fanomezan-danja ny asa mifanaraka amin’izany no hokirakiraina ao amin’ny seminera », hoy ny mpandaha-teny. Horesahina ao koa ny fanofanana sy ny hoavin’ny asa mikasika ny fahalalana voarakitra an-tsoratra.

Lohahevitry ny seminera ny anjara toerana sy ny andraikitry ny sehatr’asa mikasika ny torohay sy fahalalana voarakitra an-tsoratra eto Madagasikara. Hisy mpisehatra iraisam-pirenena efatra avo lenta avy any Amerika, Senegaly, Frantsa ary La Réunion, hitondra ny traikefany mandritra izany. Miara-mitantsoroka amin’ny fikaonandoha ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny Fikarohana siantifika, sy ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Asa tanana.

Zo. Ra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503