Lanonambe indroa miantoana ifampizarana. Izay no hanamarihan’i Lalao Rabeson ny faha-70 taonany eto an-tanindrazana. Fanomezana manokana natolotry ny mi’Ritsoka production ho azy ireo seho an-tsehatra roa ireo, araka ny fanazavan’ny tale, Randriamampianina Hery, omaly, teny Ambohitrarahaba. « Zava-dehibe aminay io ary mendrika azy loatra na ny fikarakarana na ny seho. Izy indray no manolotra ny kanto ho an’ny mpankafy », hoy ihany izy.
Hampiavaka ny tolotra ny fiarahan’i Lalao Rabeson amin’ireo tanora mpitendry. Nanaitra azy manokana ny fifehezan’ireo tanora tsy misy tomika ny hira rehetra. Ny talata alina izy no tonga teto ka omaly vao nihaona tamin’ireo mpitendry. Nifandray avy hatrany ny tandin-dokanga nandritra ny famerenana. « Tsy mba sarotiny amin’ny mpitendry aho ary mahafinaritra ahy ny fandraisan’ireo tanora ny hira taloha », hoy izy.
Nohatsaraina kokoa ny kalitao
Efa tsara ny nihaonan’i Lalao Rabeson tamin’ireo mpankafy tamin’ny septambra 2010, nisantaran’ny mi’Ritsoka production ny fampakarana an-tsehatra mpanakanto. Niampy ny tamin’ny volana aogositra 2014 ary tojo amin’izao. Amin’ny maha fanomezana azy, hisy kalitao tsara kokoa, araka ny fanazavan’ny mi’Ritsoka production. Hiaraka aminy eny an-tsehatra ireo tanora toa an-dry Andry Mick (trompetra), Anjaniony (sax alto sy tenor), Tsanta (trombone) ary Josea (amponga maroanaka). Efa matetika miaraka aminy kosa, i Solofo Bota (clavier), Zafera Roger (contrebasse) ary Gérard Ratsimiseta (gitara).
Etsy amin’ny CCESSCA, Antanimena ny seho voalohany, ny alahady 25 oktobra ho avy izao. Hotetezina avokoa ireo hira rehetra nahafantaran’ny maro azy. Alinkira ho an’ireo namana akaiky sy mpankafy manokana kosa, ny faharoa eny amin’ny Restaurant JR, Anosivavaka, Ambohimanarina ny 30 oktobra.
Zo. Ra.