
Etsy amin’ny Cemdlac Analakely, anio amin’ny 6 ora sy sasany maraina, hanainga hihazo ny faritra atsimon’ny Nosy ny « Grande évasion Isalo 2015 ». Fitsangantsanganana manana endrika kolontsaina sy fizahantany, fanabeazana sy fanatanjahantena ary fialamboly. Rahampitso, maraina, hitsidika ny « piscine » voajanahary ao Isalo izy ireo. Tohizina amin’ny fitsidihana ny valanjavaboary Namaza ny 23 aogositra. Ny ampitson’io, fitsidihana ny valanjavaboary Le Canyon. Ny 25 aogositra, hitodi-doha ao Fianarantsoa ka hitsidika sy hamantatra ity Renivohi-paritany teo aloha ity, amin’ny alalan’ny fitsangantsanganana sy fitetezana ireo toerana manan-tantara rehetra. Hiverina eto Antananarivo ny 26 aogositra.
Ny « Association famille et sport de Madagascar » miaraka amin’ny Gmnasdihy Club no manatanteraka ny « Grande Evasion Isalo 2015 ». Tafiditra ao anatin’ny tanjon’izy ireo rahateo ny « Fianakaviana miray, firenena sambatra ». Sehatrasa maro no iasan’ny fikambanana amin’izany. Anisan’ny goavana amin’izany ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny dihy. Fihaonana sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny samy mpikambana, sns.
HaRy Razafindrakoto