
Andiany faha-23 sahady… Efa manan-janaka nanala ny fanadinana baccalauréat ireo nampifanojoan’ny « Manala azy » voalohany. Mbola tazana namaly hatrany ny antson’ny Olombelo Ricky sy ny tariny ihany anefa ireny mpankafy ireny, raha ny hita tetsy Antsahamanitra, omaly. Eo ihany ireo tena avy niatrika ny fanadinana, fa saika ireo mpankafy efa zatra nifanome fotoana isaky ny « Manala azy » ireo tonga nijery ny seho.
Ny fotoana no mandeha, fa ny kanto kosa, mitoetra. Niarahan’ny rehetra niredona indray ireo hira nampitempo ny fon’ireo « mpanala azy » nandritra ny taona maro. Anisan’ireny ny « Ikalangita », « Iny havako iny », sns. Ireny hira taloha ireny rahateo, tena nandrasan’ny rehetra, na dia nanome sombiny tamin’ireo sanganasany taty aoriana aza ry Olombelo Ricky.
Maro ireo mbola variana tany ivelany na taraiky an-dalana. Tsy maintsy nanomboka ara-potoana kosa ny seho, mba tsy hiitatra alina toy ny mahazatra taloha. Mitovy fa tsy sahala hatrany kosa ny « Manala azy ». Misy vahiny hatrany, saingy tamin’ity kosa no tena nahafaly ireo mpankafy : niakatra an-tsehatra i Lôlô sy ireo mpitendry nanaraka azy. Amin’ny herintaona indray e !
Zo ny Aina