Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Faha-65 taona : hamoaka boky lehibe ny Havatsa-Upem

$
0
0
FAHA

Anisan’ny asa goavana miandry ny fikambanana Havatsa-Upem ny fanomanana ny faha-65 taony amin’ny taona 2017. Fantatra fa hamoaka boky lehibe iray izy ireo mandritra ny fanamarihana io vanim-potoana io. Hangonina ny asa soratry ny mpikambana rehetra avy ao amin’ny foibe sy ny avy any amin’ny sampana (Antsirabe, Toamasina, Vavantenina, Miarinarivo, Arivonimamo, Fianarantsoa, Fenoarivo Atsinanana, Frantsa, Soisa) horaiketina ao anatin’ity boky ity.

Mbola tohin’ny asa hotontosain’ny Havatsa-Upem ny fankalazana ny faha-100 taon’i Zakarandahy (Samuel Rajaobelison), ny 23 ka hatramin’ny 30 septambra izao etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Tohizana eny amin’ny Akademia Malagasy izany ny 8 oktobra. « Herinandron’ny Havatsa » ny 26 oktobra hatramin’ny 31 oktobra 2015, etsy amin’ny Tahala Rarihasina ihany. Lohahevitra amin’izany : « Aina sy hajan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny teny sy ny soratra malagasy ». Hisy mpikambana hamoaka boky amin’io. Hanatanteraka atrikasa ny sampana Toamasina. Ny any Soisa, hamoaka boky. Hanatanteraka lanonana fandraisan-tanana sy fanolorana ny tetikasa avy amin’ireo biraon-tsampana vaovao.

Efa nisy koa ny zava-bita tao anatin’ny ampahan-taona voalohany. Fandraisana anjara tamin’ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana », « Andro eran-tanuy ho an’ny poezia », « Andro eran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona ».  Nitarika ny fotoam-panokafana ny « Iray volana anandratana ny teny malagasy ». Tsiaro an’i Régis Rajemisa Raolison. Atrisaka momba ny fanoratana sy fiantsana poezia.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503