Hisantatra ny lampihazon’ny Alliance française, etsy Andavamamba (AFT), amin’ity taona vaovao ity, ny tarika Solika. Ny zoma 5 febroary hariva no hanoloran’izy ireo ny hakanton’ny kalon’ny fahiny, ao amin’ity foibe ity. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny AFT ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy zavakanto ary ny fanomezana sehatra ny mpanakanto malagasy. Manaporofo izany izao nisafidianany ny tarika Solika, hamaky lay ny fampisehoana ao amin’ity toerana ity izao.
Mahazatra ny mpankafy kalon’ny fahiny, toy ny tarika Solika, ny mijery ny sehon’izy ireo anaty efitrano lehibe, toy ny etsy amin’ny CC Esca. Nanomboka tamin’ny taon-dasa anefa, hita ho mihamivelatra ny sokajin’olona mahatsapa ny hatsaran’ny hira fahiny. Nanosika sy nanome sehatra ity tontolo ity àry ireo foibe vahiny.
Ny volana jona 2015, nomena anjara tamin’ny « Kaonsertra klasika amin’ny mitataovovonana », ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, ny tarika Solika. Tafiditra tamin’ny fanomezam-boninahitra ny firenena malagasy, manamarika ny fitsingerenan’ny taona nahazoany fahaleovantena, koa izany.
Raha ny fampisehoana amin’ny 5 febroary izao kosa no resahina, inoana fa hanakoako indray ireo hira tsy tontan’ny ela an-dry Naka Rabemanantsoa sy Andrianary Ratianarivo. Marihina fa nanamarika ny faha-25 taona niorenany ny Solofo Lian-kanto (Solika), tamin’ny taon-dasa.
Landy R.